Actualités

PNUD Miha mahantra ny Malagasy


  • Talata 28 Febroary 2012

Tsy ho tratra ny ankamaroan’ny fanambin’ny taona arivo fahatelo izay henjehina hatramin’ny taona 2015 ho an’i Madagasikara.

 Nisy ny famoahan’ny Pnud ny tombanezaka andiany fahatelo izay maneho ny ezaka vitantsika amin’ny sehatra isan-tsokajiny. Raha nanao famintinana fohy ireo sehatra mbola tena lavitrezaka ny tompon’andraikitra voalohan’ny Firenena Mikambana eto amintsika, ramatoa Fatma Samoura dia nilaza fa tsy nisy mihitsy ny fihatsarana amin’ny fanenana ny taham-pahafatesan’ny reny am-piterahana. Reny 498 amin’ny 100 000 no mamoy ny ainy eo am-piterahana, araka ny tatitra farany tamin’ny taona 2008 izay tsy manalavitra ny antontanisa folo taona mialoha io. “Mitombo koa ny Malagasy mihamahantra satria ny 3/4 dia sahirana ara-pivelomana avokoa”, hoy hatrany izy. Araka ity tatitry ny firenena mikambana ity ihany dia tsy manana vola 1,25 dolara na 2.625 ariary isan’andro ny 77%-n’ny Malagasy.

Ankoatra ireo dia mila anaovana ezaka lehibe koa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahazo ny 37% n’ny mponina sy ny fampananana asa. Azo heverina kosa ny hanakaikezana ny tanjona amin’ny fampidirana an-tsekoly amin’ny ambaratonga voalohany ny zaza Malagasy rehetra, ny miralenta amin’ny fitantanan-draharaha sy ny sehatra politika, ny fanenana ny taham-pahafatesan’ny zaza sy ny tanora, ny famongorana ny aretina VIH sida, ny tazomoka ary koa ny tiberkilaozy na raboka raha misy ny fandraisana andraikitra hentitra sy ao anatin’ny fotoana fohy, araka ny fanentanana nataon’i Fatma Samoura hatrany. Ny praiminisitra Omer Biriziky koa dia nanamafy fa tsy maintsy hiezaka ny fanjakana hanatrarana ny tanjona napetraka, indrindra fa ny fiarovana ny tontolo iainana.
Sary : Ramatoa Fatma Samoura

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT