Actualités

Pety Rakotoniaina «Tsy azo akatona ny fitrandrahana ‘tourmaline’ ao Ikalamavony»


  • Zoma 17 Febroary 2012

Araka ny hevitr’i Pety Rakotoniaina, PDS-n’ny Kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa, dia tsy mety ny hanakatonana ny fitrandrahana «tourmaline» ao Ikamalamavony satria Malagasy an’aliny no mivelona amin’io

 Hoy indrindra izy : «tsy azo akatona io, olona maro be no mivelona ao, misy ny avy any Antsiranana sy Faritr’i Vakinankaratra ary avy eto Fianarantsoa. Manodidina ny 10 000 ny mpitrandraka ao Ikalamavony amin’izao fotoana. Tena olana be no hitranga raha toa ka mikatona io, satria hiverina ny tsy filaminana, ny halatra sy fandrobana isan-karazany rehefa tsy manana asa sy antom-pivelomana ny olona, efa zatra nahita vola. Niaiky moa i Pety Rakotoniaina fa tsy misy manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka vatosoa, na dia iray aza ireo olona mitady tourmaline sy beryl ao Ikalamavony ireo, nomarihany ihany koa fa mijoro miaro ny tombontsoan’ny Malagasy mitovy aminy izy, ka tsy azo ampitahaina mihitsy amin’ireo vahiny izay mangoron-karena sy mitady hanjakazaka ao Ikalamavony, ankehitriny.

Raha izay fanambarana izay no dinihana izany, dia tsy hanaiky mihitsy ny eritreritry ny ao amin’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany hanakatona ny fitrandrahana «tourmaline» any amin’ny tany niaviany i Pety Rakotoniaina ary hijoro hatramin’ny farany hiaro ireo mitrandraka any an-toerana. Midika koa izany fa ao anatin’ny tsy ara-dalàna tanteraka izany ny asa rehetra atao any, tsy mandoa hetra ihany koa ireo mpitrandraka, mpivarotra ary mpividy vato. Raha araka ny fitantaran’ireo efa tany Ikalamavony moa dia tahaka ny mpanjaka kely mihitsy ingahy PDS Pety Rakotoniaina any an-toerana, ary tsy mahalala fanjakana afa-tsy izy ny olona.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT