Actualités

Paul Rabary Hametra-pialana raha …


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Nanao fanamby ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary fa hametra -pialana tsy ho minisitra intsony ny tenany raha toa ka foana ireo fanadinam-panjakana amin'ity taom-pianarana 2015-2016,

izay efa amin'ny talata 5 jolay ho avy io ny voalohany amin'izany dia ny CEPE ho an'ireo kilonga amin’ny kilasy fahafito. Ho an'ny Sendikan'ny mpampianatra eto Madagasikara na ny Sempama sampana Mahajanga kosa dia nandamoka ny hetsika ho fitakiana ireo tamberin-jo rehetra tokony ho an'izy ireo mialoha ny fanadinana CEPE. Vitsy ireo mpampianatra tonga nanoina ny antso ho an’ny fivoriana lehibe izay nataon'ireo voakasiky ny seha-pampianarana mielipatrana manerana ny distrika enina ao amin’ny faritra Boeny, tao amin’ny Capr Ampisikina ny tolakandron'ny alarobia 29 jona teo. Nirava maina tsy nisy notinapaka nandritra io fivoriana io, anefa “tsy manafoana ny fitakiana izany”, hoy ny mpandrindra ny Sempama ao Mahajanga, ka ny tantara dia mbola hitohy.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT