Actualités

Pastera Lala Rasendrahasina Tsy mbola nampiantso fivoriana izany ny FFKM


  • Zoma 24 Febroary 2012

Nanamafy ny Pastera Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm, araka ny resaka nifanaovana taminy omaly alina, fa tsy mbola nisy mihitsy ny fampiantsoana nataon’ny FFKM tamin’ny tomponandraiki-panjakana na mpanao politika momba ny fanelanelanana mba hamahana ny krizy.

 Nomarihany ihany koa fa efa ny Dr Rakoto Endor Modeste filohan’ny fiangonana Loterana Malagasy (FLM), no mitarika ny FFKM ankehitriny koa raha toa ka misy ny fampiantsoana na fanazavana na filazam-baovao manokana avy amin’ny FFKM, dia ny Dr Rakoto Endor Modeste irery ihany no manatanteraka izany. Na izany aza anefa dia nambarany fa tsy mandà mihitsy ny fifampiresahana amin’ny fikaroham-bahaolana hamahana ny krizy ny FFKM, saingy manana ny fotoanany ny zava-drehetra, ary Andriamanitra irery ihany no tompon’ny fotoana. Somary nanaitra ihany ity fanambaran’ny filohan’ny Fjkm, sady anisan ‘ireo filoham-piangonana mpitarika eo anivon’ny FFKM ity, satria tena nandiso tanteraka ny fanambaran’ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo, vao tsy ela akory izay, nilaza fa vonona ny hiverina hanelanelana ireo mpifanandrina politika eo Madagasikara ny FFKM, ary efa nisy ny fihaonana teo amin’ny lehiben’ireo andrim-panjakan’ny tetezamita tamin’ireo filoham-piangonana ao anatin’ny FFKM.
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT