Niato tampoka omaly maraina, ny fanomezana pasipaoro biometrika etsy amin’ny polisy Anosy.
Tranga izay nanaitra ny maro. Olana teknika no nambara fa antony. Loharanom-baovao hafa anefa no andrenesana fa tafakatra 2 miliara Ariary ny volan’ny SEMLEX orinasa mpamokatra an’io pasipaoro biometrika io, hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, ka nitarika io fampihantonana io. Efaina amin’ny vola vahiny “euro” ny volan’ity orinasa ity, ka mipetraka ihany ny fanontaniana raha toa ka vokatry ny fiovaovan’ny sandam-bola dia tsy mahaleo ny sarany ny 110.000Ar takiana amin’ny fanamboarana pasipaoro, izay tokony harotsaka isan-kerinandro eny anivon’ny Tahirimbolam-panjakana. Ankoatra ireo olona tokony hamita iraka any ivelany dia anisan’ny misedra fahasahiranana amin’ny tranga toy itony ny fianakaviana manana marary mila fitsaboana maika, ka tokony halefa any ivelany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.