Orinasa roa no nahazo ny tolobidy miantoka ny sakafon’ireo biby ao amin’ny valanjavaboary Tsimbazaza nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 2010.
Tao anatin’ny enim-bolana anefa izay dia tsy nahazo vola avy amin’ny tomponandraikitry ny Parc Tsimbazaza intsony ireo mpamatsy sakafo ireo. Mahatratra 90 tapitrisa ariary ny totalin’ny trosan’izy ireo tsy voaloa hatreto satria 15 tapitrisa ariary isam-bolana no laniny. Manaiky ny fisian’io trosa io ny talen’ity valanjavaboary ity izay nanazava fa noho ny fahataran’ny famatsiambola avy amin’ny fanjakana no mahatonga izay. Tsy ampy hanoherana ny volan’ireto orinasa mpamatsy sakafom-biby ireto mantsy ny vola azo avy amin’ny saram-pidirana izay tsy mihoatra ny 10 tapitrisa ariary isam-bolana kanefa koa tsy azo tapahana ny karaman’ny mpiasa 80 isa sy ny fikarakarana ny valanjavaboary. “700 tapitrisa ariary no famatsiana nangatahanay fa 150 tapitrisa ariary ihany no azo izay efa lany nandoavana ny ampahany tamin’ny volan’ireo orinasa ireo ny volana aprily teo.
Efa nitondra ny olana teo anivon’ny filankevi-pitantanana izahay fa tsy nahazo rariny satria mbola misy trosa tsy voaloa 120 tapitrisa ariary tamin’ny taona 2010 noho ny fitantanana tsy nety. Vahaolana hitanay ny fanaovana fangatahana manokana nalefa any amin’ny ministeran’ny vola mba ahazoana 150 tapitrisa ariary ny Parc saingy tsy nahazo valiny hatreto”, hoy ny Tale jeneralin’ny Parc Tsimbazaza, ny Dr Andriarimalala Zakariasy. Miandry izay fanapahan-kevitry ny ministeran’ny vola izany hatreto ny hoavin’ny valanjavaboary. Nambaran’ny iray amin’ireo orinasa manana trosa amin’ny Parc fa tsy vaovao amin’izy ireo ilay resaka fangatahana manokana ka mandroso soso-kevitra ny hanomezana ampahany amin’ny vola voaangona avy amin’ny saram-pitsidihana izy ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.