Actualités

Orinasa Tiko Toamasina Mitohy ny fandrobana


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Tsy mijanona fa dia ataon’ny FAT tantely afa-drakotra tanteraka ny fananan’ny Filoha Ravalomanana, indrindra fa ny ao Toamasina, araka ny loharanom-baovao.

 Raha najifa ireo vary sy menaka tao amin’ireo orinasan’ny Tiko, mpamokatra lafarinina sy mpanao menaka ary dibera, hany sisa tsy may tao an-toerana, dia misy mangalatra indray koa amin’izao fotoana ireo milina fampiasa tao amin’ireo ozinina ireo. Fantatra moa fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao fandrombana izao ireo tompon’andraikitra ao amin’ny TIKO fa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana. Raha tsiahivina dia efa nahoraka teto Madagasikara ny fisian’ireo mpitondra FAT tsy tahotra sy henatra nandroba ny vary tao Toamasina tao ary dia raikitra mihitsy ny ady tamin’izany izay nalaza an-gazety kanefa dia zavatr’olona izao no iadivana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT