Velom-panantenana ireo Malagasy an’arivony very asa noho ny krizy fa azo antoka izao ny tsy maintsy hisokafan’ny orinasa Tiko. Mazava ny fanapahan-kevitra anisan’ny voalohany noraisin’ny fitondrana tarihan’i Hery Rajaonarimampianina fa arovana ny orinasan’ny gropy Tiko ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina sy any Vohidiala – Ambatondrazaka, mba tsy horobaina.
Mpamokatra lafarinina, dibera, menaka sy mpitoto vary moa ireo orinasa ireo, ary anisan’ny goavana sy raitra indrindra aty amin’ny kaontinanta Afrikanina. Mampiseho ny fitondram-panjakana amin’izany fihetsika izany fa efa lasa ny zavatra taloha, azo atao tsara ny mifampiresaka sy mifanaraka ary tohanana ny mpandraharaha Malagasy. Etsy an-kilan’izay dia efa hatramin’ny 2009 no naneho ny fahavononany hanodina indray ny orinasa ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Tiko, saingy nitsivalana tamin’izany foana ny fitondrana FAT, ary niarahan’ny rehetra nahafantatra tsara fa olona tao anatin’ny tetezamita na akaikin’ny mpitondra tetezamita no nanao tantely afa-drakotra ny entan’ny Tiko. Mahalala tsara io resaka io ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nanankinan’ny FAT ny atao hoe “Cellule opérationnelle”, najoro ary niankina tamin’ny fiadidiana ny tetezamita, nandrindra ny famoahana ny entan’ny Tiko tao Toamasina tamin’izany fotoana. Notsikeraina ny Tiko taloha fa hoe manao ampihimamba, ankehitriny anefa dia ny vahiny no manjakazaka amin’ny fifehezana ny fanafarana, fanapariahana ary fivarotana ny vary, menaka, siramamy sy ireo entana maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Nigalabona sy afaka nanao izay tiany ireto vahiny ireto rehefa tsy niasa intsony ny Tiko, ka tsy efa mazava ve izany ny antony nanapotehana ity orinasa ity tamin’ny 26 janoary 2009 e ! Dimy taona izay no lasa, ampy izay ny fanararaotana sy famahanan-dalitra ny Malagasy, ary mety efa samy nandinika tsara ny tsirairay… Araka ny tsiliantsofina re dia i Josoa Ravalomanana, zanaka lahimatoan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no mety hiandraikitra ny fampihodinana indray ny Tiko. Miandry izay ho fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra satria tena manana anjara toerana goavana eo amin’ny toekarem-pirenena ny Tiko, ary hany orinasa tena Malagasy ary afaka mifaninana amin’ireo orinasa any ivelany raha amin’ny resaka kalitaon’ny zavatra vokarina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.