Actualités

Orinasa Star sy ny Consulat de Monaco Nanolotra bodofotsy ho an’ireo ankizy sahirana


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Nanolotra bodofotsy miisa 1 .000 ho an’ireo ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana avy amina fokontany miisa 10 eto an-drenivohitra ny orinasa Star sy ny Consulat de Monaco.

 

Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ireo ankizy ao amin’ny fokontany Andranomanalina Isotry, Lalamby, Andravoahangy Tsena, Ampandrana Besarety, Manarintsoa Anatihazo, Ilanivato Ampasika, Anosibe, Ambohibarikely, Mahalavolona Andoharanofotsy, Imerinafovoany Antanifotsy Talatamaty ary  Andavamamba Anjezika I. Tanjona ny hahafahana miaro ny fahasalaman’ireto kilonga madinika ireto amin’ny hatsiaka izay tena mahazo vahana tokoa raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraly eo anivon’ny orinasa Star Ramatoa Anna Rabary. Tsiahivina moa fa anisan’ny miezaka manampy hatrany amin’ny lafiny ara-tsosialy tahaka izao ny orinasa Star. Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny fahantrana, ny ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, ny fiarovana ny tontolo iainanana… Tetikasa maromaro no nohavaozin’izy ireo tamin’ity taona ity ho fanohanana ny mpiara-belona.

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT