Orinasa Mainland

> Mbola mihantona ny fahazoandalany


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Tonga tao Toamasina omaly niara-dalana tamin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa Mainland Mining, Atoa Goerges LU, ny minisitry ny harena ambanin’ny tany Rtoa Randriafeno Daniella.

Nanamafy ity farany fa “mbola miato aloha hatreto ny fahazoan-dalana mitrandraka azon’ny Mainland tao Soanierana Ivongo sy Ampasimba Manantrana, noho ny tsy fanajany ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana nifanarahany tamin’ny fanjakana Malagasy. Miankina amin’ny fahavitan’ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-05 izay potika noho ny fampiasana azy ny famerenana izany fahazoan-dalana izay”. Raha ny mikasika ny fanadihadiana ataon’ny orinasa amin’ny ilany atsimon’i Toamasina sy mianatsimo amin’ny faritra atsinanan’i Madagasikara izay nahazoan’ny orinasa Mainland fahazoan-dalana fanadihadiana miisa 27, dia tsy mbola misy ny fitrandrahana ataony araka ny nambaran’ny minisitry ny harena ambanin’ny tany, fa mijanona amin’ny fanadihadiana ny vokatra sy ny resaka ara-tontolo iainana ihany no mitranga hatreto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT