Actualités

Oniversiten’i Toamasina Nakatona mihitsy aloha


  • Alakamisy 15 Septambra 2011


 Ny minisitry ny fampianarana ambony Rabesa Zafera Antoine mihitsy no nampahafantatra an’io omaly, taorian’ny fikaonandoha sy fifampidinihana maharitra tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ao Toamasina. Nohamafisina tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana izany, izay milaza mazava ao amin’ny andiany voalohany fa “mikatona manomboka ny 13 septambra 2011 teo ny oniversiten’i Toamasina ary mandritra ny fotoana tsy voafetra”. Nanazava ny minisitra fa miankina amin’ny mpianatra sy ny filaminana eo anivon’ny oniversite ny faharetan’ity fikatonana ity. Na izany aza, tsy hisy ny taona fotsy ary tsy ho tapaka koa ny vatsim-pianarana. Ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Horace P Gatien, no nilaza fa raha vao miverina ny fampianarana dia hanomboka ny fizarana io vatsim-pianarana io.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT