Actualités

Oniversiten’i Toamasina Mianatra marina sa tsia ?


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

“Tsy nahitana fahatapahana fampianarana ny tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga sy Toamasina…”, teny nambaran’ny minisitry ny fampianarana ambony, Razafindrainibe Etienne izany taorian’ny fihaonana nataony tamin’ireo filohan’ny oniversite manerana ny nosy farany teo.

 Raha ny zava-misy marina eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy anefa dia tsy izay loatra, satria tsy misy fianarana firy mandeha izany ao hatramin’izao. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpampianatra nanontaniana dia maro amin’ireo sampampam-pianarana misy ao Barikadimy no tsy mbola nahavita ny fampianarana akory, anisan’izany ny sampam-pianarana fitsaboana sy ny fitantanana ary ny toekarena. Ny sampam-pianarana lalàna, tantara, jeografia ary filozofia kosa dia efa nahavita ny fampianarana ary efa nisy ny nahavita ny fanadinana saingy hatramin’izao tsy mbola nivoaka ny valiny. Ireo mpampianatra manao fampianarana an-tselika no efa nahavita ny fampianarany sy ny famoahana ny valim-panadinany. Ireo mpikambana amin’ny SECES kosa dia ao ny tsy nanao ny fanadinana mihitsy, ao kosa ny nanao fanadinana fa tsy mbola namoaka ny naotin’ny mpianatra. Koa mianatra marina ve ny ao Barikadimy sa tsia ? Sanganehana ireo mpianatra. Vokany, na mbola maro aza ireo mijanona ao Barikadimy miandry ny fampianarana, dia misy kosa ireo namonjy ny ray aman-dreniny aloha ary manao asa an-tselika kely ihany koa, mialoha ny hiverenan’ny fampianarana.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT