Oniversiten’i Toamasina

> Ny mpanampy efa dodona, ny tompon’andraikitra tsy rototra


  • Alakamisy 28 Novambra 2013

Miaina anaty loto sy trano tsizarizary ny ankamaroan’ny mpianatry ny oniversiten’i Toamasina ao Barikadimy.

Misy tanora vonona ny hanolo-tanana ireo mpianatra ao Barikadimy, izay tanora tahaka azy mba hiaina amina tontolo mendrika azy. Izy hanao asa soa indray anefa no sahirana sasa-miandry fa ireo tompon’andraikitry ny oniversite toa tsy rototra akory. Omaly maraina dia tonga tao Barikadimy ireo mpanampy, tarihin’Atoa Maminirina Jean Eddy filohan’ny fikambanana AJD, nitondra ny vola 26 tapitrisa Ariary, volany tahiriny madiodio, hividianana fitaovana ilaina amin’ny fanatsarana ny trano fonenan’ny mpianatra sy ny fanadiovana, dia izy ireo indray no sahirana niandry ireo tompon’andraikitra izay tokony hanome ny fahazoan-dalana nefa tsy hita. Raha nanontaniana ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, Atoa Velo Jérôme, dia nanambara fa omaly izy vao nahalala ity fanampiana hataon’ny AJD ity. Milaza ho tsy mahatapaka izany ny tenany fa tsy maintsy hakana ny hevitry ny komity mpitantana izay mpanapaka na ho ekena na tsia.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT