Oniversiten’i Mahajanga

> Tsipahin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny famerenana an-dRabesa


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Mafampana indray ny toe-draharaha ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga taorian’ny nivoahan’ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny fampianarana ambony tamin’ny 23 janoary 2014 mamerina amin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga, Rabesa Zafera Antoine.

Nahantona tamin’io andraikiny io mantsy izy nanomboka tamin’ny 12 janoary 2014 araka ny fanapahan-kevitra noraisina niarahan’ny minisitry ny fampianarana ambony, ny minisitry ny serasera, ny minisitry ny jono, ny lehiben’ny Faritra Boeny ary ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga I nanao sonia. Amin’ity sabotsy 01 febroary ity no voalaza fa handraisan’ny filohan’ny oniversite ny asany. Mitsipaka marindrano izany famerenana an-dRabesa Zafera Antoine amin’ny toerana izany anefa ireo ray aman-drenin’ny mpianatr’ity oniversitem-panjakana ity, noho ny ra latsaka sy ny aina nafoy taorian’ny fifandonana nitranga tamin’ny zoma 10 janoary 2014. Hentitra ireto ray aman-drenin’ny mpianatra ireo nilaza omaly fa tsy tompon’andraikitra amin’izay zava-miseho izy ireo raha mikiry hamerina amin’ny toerany ny filohan’ny oniversite ny fanjakana.

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT