Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaha ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga taorian’ny nahafatesan’ny tovolahy mpianatra iray avy any Bealanana, taona faha-3 ao amin’ny IBA (Institut de Biologie Appliquée) ankoatra ireo maratra mbola tsaboina any amin’ny hopitalin’Androva sy ireo tsy hita popoka.
Miakatra ny feo, ary ahiana ny fifandonana mahery vaika noho ny ra latsaka sy ny aina nafoy. Nisy fandraisana fanapahan-kevitra maika omaly alahady 12 janoary, mba hiverenan’ny fitoniana eo anivon’ny Oniversite sy ao an-tanànan’i Mahajanga. Misy andininy sivy ny fanapahan-kevitra noraisina, milaza fa rehefa nifampidinika tamin’ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana dia nanapa-kevitra ny Fampanoavana ao Mahajanga ny amin’ny famotsorana ireo mpianatra roa ambin’ny folo izay voatazona tao amin’ny Vondrontobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena ao Boeny. Satria anisan’ny nahatonga izao toe-draharaha izao ny fandroahana ireo mpianatra efatra ambin’ny folo tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, dia nanapa-kevitra ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa fa haverina hianatra ireo mpianatra efatra ambin’ny folo voakasik’izany. Mba hahafahana mamerina haingana amin’ny laoniny indray ny fiainan’ny Oniversite ao Mahajanga dia haato mandritra ny iray volana ny fampianarana ao an-toerana, ka ampahafantarin’ny Minisitera amin’ny fotoana mahamety azy ny daty hiverenan’ny fampianarana. Ho fanamafisana ny famerenana amin’ny laoniny ny toe-draharaha eo anivon’ny Oniversite dia tapaka fa haato amin’ny asany ihany koa ny Filohan’ny oniversiten’i Mahajanga. Manamarika anefa ny fanambarana fa ny Filankevitry ny minisitra irery ihany no afaka mandray fanapahan-kevitra farany momba an’izany Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga izany. Mandritra ny fotoana iatoan’ny fampianarana ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga dia ireo Filoha lefitra anankiroa no miandraikitra ny fampandehanan-draharaha andavanandro.
Manipika mazava ireo nanao sonia ny fanambarana ahitana ny minisitra isany Razafindehibe Etienne Hilaire (Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa), Rahajason Harry Laurent (Serasera), Manoriky Sylvain (Jono sy harena anaty rano) miampy ny Lehiben’ny Faritra Boeny Said Ahamad Jaffar ary ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga I, Rasamoelina Andriariliva Doris, fa ny fiaimpiainan’ny Oniversite ao Mahajanga ihany no voakasik’ireo fepetra noraisina ireo fa tsy mahakasika kosa ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga sy isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Boeny sy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga. Koa hisy ny fanokafana famotorana mikasika ireo olona na vondron’olona sivily ivelan’ny Oniversiten’i Mahajanga izay mety ho nahatonga izao savorovoro sy korontana izao. Telo volana izao no efa niaina savorovoro ny Oniversiten’i Mahajanga. Nanaitra anefa ny filazan’ny minisitra Razafindehibe Etienne Hilaire fa tsy mba nahazo tatitra na am-bava na an-tsoratra mikasika izany avy amin’ny tompon’andraikitra izy, toetra izay ambarany fa tsy fanajana lehibe. Nomarihiny fa minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony teo alohany ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Rabesa Zafera Antoine, ary kandida depiote tamin’ny fifidianana farany teo.
Natsipy tany an-dranomasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.