Oniversiten’i Mahajanga

> Ahiana ho taona fotsy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2014

Mbola mihejan-droa ny raharaha ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. An-daniny mitaky ny hivoahan’ny marina mikasika ny nahafaty sy nandratrana ny namany ireo mpianatra, ary koa mitaky ny hanaovana fanadihadiana izay tompon’antoka tamin’ny fanomezana baiko ireo Emmo-Reg nitifitra tamin’ny 10 janoary 2014.

Nivoitra ireo nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny mpianatra ny zoma teo tao amin’ny Epp Barday Ampasika, Mahajanga. Mbola nanamafy ny fandavan’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’izy ireo ny famerenana ny Profesora Rabesa Zafera Antoine amin’ny toeran’ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga koa izy ireo ary mitaky ny hialany tsy misy hatak’andro. Etsy an-kilany anefa ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny Atoa Horace Gatien, dia nilaza fa “tsy misy tokony hanalana ny filohan’ny oniversite eo amin’ny toerany satria tsy misy hadisoana be vava nataony”. Mihenahena eo ny raharaha ankehitriny. Manahy ny maro fa raha izao no fandehany dia ahiahiana hisy ihany ny taona fotsy eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga. Raha tokony ho efa niverina tamin’ny 12 febroary teo ny fampianarana ao Ambondrona dia tsy tanteraka izany.

 

Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

Hijery ny tohiny
FTT