Oniversiten’Antananarivo

> Raikitra ny fampianarana ho an’ny rantsany ao Vakinankaratra


  • Talata 03 Desambra 2013


Nosantarina tamin’ny zoma 29 novambra lasa teo ny fanombohan’ny taom-pianarana ho an’ilay rantsan’ny Oniversiten’Antananarivo ao Vakinankaratra. Tonga tao Antsirabe ny Minisitry ny fampianarana ambony Atoa Razafindehibe Etienne sy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo Ramanoelina Panja notronin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana. Raha nadray fitenenana ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo dia ny nanala ny ahiahin’ireo ray aman-dreny no nataony satria nohamafisiny fa ireo mpampianatra avy aty Antananarivo ihany no misahana ny fampianarana ao Antsirabe ary ny fandaharam-pianarana iray ihany no tanterahina. Sampam-pianarana miisa 10 moa no hanombohana amin’ity taona ity ka ireo efa nahazo ny “Habilitation” avy amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony avokoa ireo atao eto ary dia mitovy tanteraka amin’ny fanadinana eto Antananarivo sy ny any Antsirabe.

 


Caîus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT