Oniversite Barikadimy

> «Tena efa ohatry ny 4’mi ny mpianatra»


  • Alarobia 27 Novambra 2013

Mitohy hatrany ny hetsika ara-tsosialy ho fanampiana ny tanora sy ny olona mila famonjena aminy, ataon’ny fikambanan’ny tanora ho an’ny fampandrosoana (AJD) amin’ny alalan’ny filoham-boninahiny Atoa Maminirina Jean Eddy.

Nitsidik ny tao Barikadimy ny fikambanana omaly noho ny antso vonjy nataon’ireo mpianatra tao vokatry ny zavatra iainan’izy ireo andavanandro. “Nahita maso ny zava-misy eto Barikadimy ny tenako fa tsy nitantara intsony. Efa toy ny 4’Mi ny mpianatra eto amin’ny zavatra iainany izay tsy mampino, satria ohatry ny tany tsy misy fanjakana mba mitsinjo ireto mpianatra izay lazaina fa antoky ny hoavy eto” hoy i Maminirina Jean Eddy nahita ny zava-nisy. Loto, fako, y voalavo, trano tsizarizary, aretina ary fikorontanana no iainan’ny mpianatra isan’andro. Ho laharampahamehana ny fanamboarana ny herinaratra, ny fotodrafitrasa fidiovana, ary fanadiovana ny trano fonenan’ny mpianatra. Miandry ny fankatoavan’ny filohan’ny oniversite sy ireo tompon’andraikitra misahana ny trano anefa ny fanombohan’izany. “Mila filaminana isika, mila mifanampy ihany koa, ka mila fiaraha-mientana lavitry ny fingampingana ny asa ho atao”, hoy i Maminirina Jean Eddy namarana ny fanazavany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT