Actualités

Oniversite Ankatso Hampiaraka ny tolona ny SECES sy ireo mpianatra


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Tsy tontosa omaly ny hetsika nokasain’ireo mpianatra eny amin’ny Oniveristen’Antananarivo hatao teo amin’ny «Esplanade Ankatso» miaraka amin’ireo namany avy eny Vontovorona.

 Nisy kosa anefa ny fifampidinihana nifanaovan’ny solontenan’ireo mpianatra niaraka tamin’ireo mpampianatra mpikaroka mpikambana ao amin’ny SECES teny Ankatso ihany nandaminana ny hampiarahana ny tolona fitakiana mba hitohizan’ny fampianarana ara-dalàna eny amin’ity toerana ity. Nanapa-kevitra ary omaly, ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny sendika SECES fa mbola hanohy ny fitokonana hataon-dry zareo na teo aza ny fanazavana nomen’ny minisitra tompon’andraikitra ny amin’ny fanomezana azy ireo ny zavatra notakiany. Rahampitso alakamisy 26 janoary 2012 maraina ry zareo dia hanao ny Filankevitra Nasionalin’ny SECES ao amin'ny Bibliothèque Géographie FLSH. Azo antoka ao anatin’izany ny hisian’ny fifidianana fanoloana ny filohan’ity rafitra ity noho ny filoha amperinasa hitazona andraikitra hafa eo anivon’ny ministeran’ny ambaratonga ambony. Nomarihan’ny solontenan’ireo mpianatra kosa fa efa manomboka manetsiketsika ny fitokonany ny any amin’ny Faritany. Ny an-dry zareo eny Vontovorona dia efa nihetsiketsika koa.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT