Oloben’i Vakinankaratra

> Tsy hanavahana firehana ny fampandrosoana


  • Zoma 24 Janoary 2014

Nivory maika ary niara-nidinika ny ho fampandrosoana an’i Vakinankaratra ireo olobe isan-karazany ao Antsirabe ny talata 21 janoary teo, tao amin’ny Hotely Diamant, notarihin’ny CST Ratsimbason Patrice.

Ankolafin-kery samihafa sy mpanao politika isan-tokony no namaly ny antso satria ny tombontsoan’ny faritra niaviana no foto-dresaka. Fifanakalozan-kevitra sy fandalinana ny raharaham-pirenena no tena nibahana tamin’izany, indrindra fa ny lafiny fampandrosoana an’i Vakinankaratra amin’izao fitondrana vaovao vao hijoro izao, ka tamin’izany no nilazan’ireto olobe ireto fa : «Mitaky ny hampiharana hatrany ny lalàmpanorenana izy ireo dia ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanapariaham-pahefana, ny fifandanjana isam-paritra ho antoky ny fampandrosoana». Nanamafy ny CST Ratsimbason Patrice fa tsy hanavahana firehana ny fampandrosoana ny Faritra, izay hiaingan’ny fampandrosoana ny firenena ka izay no anton’izao fihaonana izao. Nambarany fa anisan’ny Faritra manana tanjaka ara-toekarena goavana i Vakinankaratra ka tsy tokony hatao zanak’ikalahafa mihitsy. Nomarihin’ireto Olobe ireto fa tokony hapetraka amin’izao fitondrana izao ny : «Fanjakana tan-dalàna sy famerenana ny Etika sy fahamariana ara-politika». Firarian’ireto Olobe ireto ny mba hisian’ny zanak’i Vakinankaratra ao anatin’ny Governemanta vaovao, ary mba tsy ho ankilabao i Vakinankaratra sy Antsirabe amin’ny fanorenana fotodrafitrasa goavana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT