Olobe ao Toamasina

> Mitaky fanajana ny fifandanjam-paritra sy ny tena fanapariaham-pahefana


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014

Nihaona tao amin’ny trano fisakafoanana “Le Bateau Ivre” ireo Olobe sy zokiolona ao Toamasina ny sabotsy antoandro teo.

Fihaonana izay notarihan’Atoa Pierrot Rajaonarivelo (mpanasa), sy Atoa isany Lahady Samuel, Botozaza Pierrot, Imbiky Anaclet, Fanony Fulgence, Vony Roger ary Latsaka Abraham. Nisy ny dinidinika sy fifanakalozan-kevitra ary fanadihadiana ny toe-draharaha politika ankehitriny eto Madagasikara. Tamin’izany no nilazan’izy ireo fa “mitaky ny fanajana ny fifandanjam-paritra voalazan’ny lalàmpanorenana amin’izay ho filoham-pirenena izahay, mitaky ihany koa ny fametrahana ny fanapariaham-pahefana tena izy antoky ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena”. Nambaran’Atoa Pierrot Rajaonarivelo nitondra ny tenin’izy ireo fa “natombokay izao ny fampihavanam-pirenena, satria olona samy manana ny firehany sy ny antoko politika izahay izao, nefa natambatry ny tombontsoa iombonana dia ny fampandrosoana an’i Toamasina sy ny firenena iombonana”. Nilaza moa izy ireo fa ankilabao hatrany i Toamasina hatramin’izay nefa ambara foana fa kapitaly ekonomika sy vavahady ara-toekarena, eo amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny fifaninanana, ny fananganana orinasa ary eo amin’ny resaka fitrandrahana ny harena ambanin’ny tany izay ny tompon-tany no tokony hahazo ny tombontsoa bebe kokoa. Ankoatra izay, dia nomarihan’ireto Olobe sy zanak’i Toamasina ireto koa fa tsy hanaiky ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny harem-pirenena fa mitaky kosa ny fametrahana amin’izay ny fanjakana tan-dalàna. Handray anjara feno sy vonona hitondra ny anjara traikefany amin’ny fametrahana fanjakana matanjaka sy tsara fototra ho fiaingana vaovao taorian’ny krizy izy ireo, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena ary ny faritra samy hafa manerana ny Nosy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT