Olana ara-pitiavana

> Nivadika ho “kidnapping” nitakiana iray miliara Ariary


  • Sabotsy 01 Febroary 2014

Nitrangana fakana an-keriny hafahafa tao Toamasina ny alarobia teo, araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Zazavavy kely gasy zanaka tompona trano fandraisam-bahiny no voalaza fa nisy naka.

Nitaky vola iray miliara Ariary ireo mitonona ho mpanao takalon’aina tamin’izany. Raha nohalalinina anefa dia olana ara-pitivana no antony. Efa an-taonany vitsivitsy izay dia manana olana ara-pitiavana ireo mpivady tompon’ilay trano fandraisam-bahiny. Nitatra anefa ny olana teo amin’izy mivady nony nigadona ny taona vaovao 2014 ka tonga amin’izao raharaha hafahafa izao. Mbola tany am-pianarana ilay zazavavy kely, no tonga ny mpiambina miasa eo anivon’ilay trano fandraisaim-bahiny nitondra taratasy voasonian’ny renin’ilay zaza fa haka azy noho ny aretina mafy mahazo ny rainy. Vao nahita izany ny tompon’andraikitry ny sekoly dia namoaka ilay zazavavy, vao nahita ilay mpiambina koa ilay zazavavy dia tsy nisalasala fa nanaraka azy. Teo anefa no nanjavona ilay zaza ary nitakiana ilay vola be iray miliara Ariary tamin-drainy ho takalon’ny ain’ny zanany. Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana nanao ny fikarohana ka hita ny toerana nanafanenana ilay zazavavy. Fantatra ihany koa ireo olona nahavanona ny fakana an-keriny ka nosamborim-potsiny ny alakamisy ary teo no nivoaka ny marina rehetra. Eo am-panadihadiana mikasika ity raharaha ity ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ka ho hita eo ny tohiny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT