Actualités

Olan'ny Tafika Nakaton'ny Cosofam ny Etat Major ?


  • Zoma 13 Janoary 2012

Nisy ny fihaonan'ireo mpitarika ny vondron'ny manamboninahitra lefitra na ny Cosofam, omaly maraina, teny Andohalo.

 Narahina fivoriana teo amin'izy ireo niaraka izany nandinihana toe-draharaha misy amin'izao fotoana izao. Ny tsiliantsofina no nahafantarana fa tsy manaiky ny fanesorana ilay 25 isan-jato fotsiny amin'ny hetra alaina amin'ny karaman'ny miaramila isam-batan'olona izy ireo. Manenjana ireo manamboninahitra lefitra ary milaza ny hanao zavatra. Omaly ihany, taorian'ilay fivoriana, dia fantatra fa nakaton'ireo manamboninahitra lefitra ny vavahadin'ny Etat Major. Midika inona izany ary baiko avy amin'iza ? Tsy nahenoam-peo hatramin'ny omaly hariva mikasika ity tranga ity ny eo anivon'ny Tafika. Ny azo lazaina dia tsy nahitana manamboninahitra teny Andohalo omaly. Manamarina ny tsiliantsofina heno ve izany fa tsy navelan'ireo manamboninahitra lefitra hidiran'ny manamboninahitra mihitsy teny Andohalo ? Na ny Cemgam aza mantsy dia tsy tazana teny amin'ny biraony koa omaly. Ny alin'ny alarobia dia niely ny feo fa nametra-pialana ny minisitry ny Fiarovana, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Hatramin'ny omaly hariva anefa dia tsy voamarina izay vaovao izay ary tsy mbola nametra-pialana ny tenany. Anisan'ny olan'ireto manamboninahitra lefitra ireto mantsy, araka ny loharanom-baovao ihany ity jeneraly ity ka mety hamaha olana ny fialany na izay mety ho fanesorana azy.

Mafanafana ny eo anivon'ny Tafika amin'izao fotoana izao. Miha mitombo ny olana etsy sy eroa. Ny Sendikan'ny mpitsara etsy miziriziry, ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka (Seces) tsy misy vahaolana, ny mpianatry ny oniversite ihany koa mandrahona hanao hetsika, ny polisy tsy faly tamin'ny fanagadrana ny namany ka tsy mbola fantatra izay hafitsony. Izao ny miaramila madinika no mba mitaky ka hita eo ny tohiny fa mila famahana olana haingana ireo rehetra ireo.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT