Actualités

Olan’ny Polisy Lasa FIGN bis


  • Alatsinainy 26 Desambra 2011

Noravan’ny andiana polisy ny saika hanaterana ireo olony miisa 11 teny amin’ny fitsarana ny sabotsy 24 desambra lasa teo.

 Tsy mbola tafiditra tao amin’ny lapan’ny Fitsarana akory ireo dia avy hatrany dia nisy polisy maromaro naka ireo namany notazonina. Nentina tany amin’ny tobin’ny FIP eny Antanimora izy ireo raha araka ny fantatra. Tsy avoakan’ireo polisy marobe ao intsony izy ireo raha araka ny loharanom-baovao akaiky ity vondrona ity. Fantatra ihany koa fa manohitra ny fanendrikendrehana ireo olona 11 ireo ny polisy. Tsy tafiditra amin’io raharaha io izany izy ireo fa notondrotondroina fotsiny, hoy ihany ny loharanom-baovao. Ny sabotsy teo ihany dia nisy andiana polisy hatrany niandry ny fifaranan’ny fivorian’ireo olona ambony eo anivon’io vondrona io. Teo izy ireo no naneho ny tsy fahafaliam-pony momba ny zava-nitranga. Tonga nidina teny amin’ny FIP Antanimora mihitsy ny minisitry ny filaminana anatiny, ny controleur general de la Police Rakotondrazaka Arsène, mba hangataka ny famoahana avy hatrany ireo polisy avy any Toliara, saingy nohenoin’ny olony fotsiny. Mety mbola hihamafy, araka izany, ny famahana ity olan’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) sy ny polisy ity. Efa herinandro telo mahery izao dia tsy mbola misy fivoarany mihitsy.

Tsy nisy nihaino intsony ny baikon-dRajoelina satria mainka aza mihamafy ny tolon’ny tsirairay voakasika, dia ny SMM sy ny polisy. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny tetika izay nampisaraham-bazana ny teo anivon’ny sendika isan-tokony. Tsikaritra ho tsy mbola mahomby izany hatreto satria tsy nisy olana voavaha. Samy mikiry ny roa tonta ary mitohy ihany ny fampiasana herisetra avy ao amin’ny polisy. Dia sanatria ve hizotra ho any amin’ny FIGN faharoa indray ity zava-nitranga ity ? Ny nahagaga ihany koa dia ny nanomezan’ny zandary ireo polisy notazoniny mora foana. Tsy efa marika ve izany fa mandala ny hetsika misy izy ireo ? Mivoatra tsy misy fiafarany ity raharaha ity saingy mivoatra mankany amin’ny tsy vahaolana.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT