Raikitra indray ny savorovoro omaly maraina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Tsy mbola tonga ny vatsim-pianarana koa dia nidina an-dalambe nanakaiky ny fiantsonan’ny taksibe eny Ankatso ireo mpianatra. Niakatra teny an-toerana avy hatrany koa ny Emmo Reg ary tsy nisalasala nanaparitaka ireo mpitokona tamin’ny baomba lakrimozenina. Efa tsy dia mahagaga ny mpanara-baovao intsony moa ny grevy eny amin’ny oniversite satria zavatra nahazatra isan-tanona nanomboka tamin’ny 1972, ary izay nandranto fianarana teny dia mahalala sy mahafantatra tsara fa tsy maintsy misy mpanao politika mijabaka foana anatin’ireny fihetsiketsehana sy fitakian’ny mpianatra ireny, na ireo mpianatra mihitsy no misy te halaza tampoka ka mitarika grevy aloha, ary taona vitsivitsy aty aoriana dia lasa mpanao politika. Iny eo ihany fa ny tena mahavariana amin’ity raharaha ity dia efa fantatry ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny oniversite sy ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony fa ho avy io fitokonana sy grevy io vantany vao tara ny famoahana ny karaman’ny mpiasan’ny oniversite na ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ; ka tena mahavariana hoe nahoana no tsy nandray fepetra haingana izy ireo mba hisorohana ny zavatra tahaka izao ? Dia mbola mizotra tsara araka ny tokony ho izy ihany ve ny fianarana eny Ambohitsaina eny, dia mbola hamono afo hiteny indray ve ireo tompon’andraikitra hoe : tsy atahorana izany taona fotsy izany, kanefa efa mikorontana ambony ambany ny tetiandro hanatanterahana ny fandaharam-pianarana sy ny fanadinana ?
Krizy anatina krizy ny eny amin’ny oniversite, ary tsy mety voavaha satria vahaolana petatoko foana no naroso, ary misy ihany koa ireo manararaotra sy mampirisika ireo mpianatra, tsy tantara foronina izany fa zava-misy, ka tokony mba samy handini-tena ihany ny tsirairay fa tsy toerana mikorontana sy misavorovoro lava tahaka ny eny Ankatso no hanomana sy hampianatra ary hanofana ireo manampahaizana hitantana ity firenena ity afaka taona vitsivitsy. Azo antoka izao fa ho avy ihany koa ny savorovoro any amin’ny oniversite hafa taorian’ny an’i Toliara sy Antananarivo dia mbola hamono afo fotsiny ihany ny ministera fa tsy mba hijery ifotony ny tokony hamahana ny olana na mikaroka ny fomba rehetra handaminana sy hampitoniana ireo mpianatra ka ambara ny tena marina fa tsy mampanantena tsy misy, ka rehefa mitaky ny mpianatra dia rarafana lakrimozenina foana dia samborina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.