Kaontenera misy basy marovava miisa 18 voasokajy ao anatin’irony antsoina hoe “calibre 12” irony sy bala miisa 64.501,
miampy poleta miisa 3 no saron’ny sampandraharaha misahana ny fandriampahalemana tao Nosy be nandritry ny fisafoana mahazatra ny tanàna nataon’izy ireo raha ny loharanom-baovao azo tany an-toerana omaly. Efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo no voalaza ho hita ho nampiahiahy ity kaontenera nihaodihaody tao an-toerana ity ary dia izao tratra taorian’ny fisavana natao taminy izao. Ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana kosa no nahafahana nametraka vela-pandrika hisamborana ny tompon’ity kaontenera ity. Rehefa natao ny fisavana dia mbola nahitana balana « calibre 12 » maromaro ihany koa tao an-tranon’ity farany. Mbola mitohy ny fanadihadiana hisavana ireo izay mety ho mpiray tsikombakomba amin’ity raharaha ity. Mandry tsy lavo loha ireo mponina any an-toerana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.