Zava-doza mihitsy ny afitsok’ireo firenena vahiny manjono tsy ara-dalàna amin’ny fari-dranomasin’ny firenena tsy nahazoany alalana. Miditra an-tsokosoko miaraka amina sambo vaventy amin’ireny fari-dranomasina ireny ry zareo raha amin’ny fari-dranomasina iraisam-pirenena no ahazoana manjono malalaka.
Mahatratra 10 hatramin’ny 23 miliara dolara isan-taona ny fatiantoka aterany raha trondro 11 hatramin’ny 25 tapitrisa taonina, izany hoe ny 20 %-n’ny tahiry erantany no voajono amin’ity fomba ratsy fanaon’ireo Eoropeanina, Koreanina, Sinoa, Japoney ity. Tsy afa-bela koa ireo Nosy aty amin’ny Oseana Indiana sy atsinanan’i Afrika. Efa herinandro izao no mivory ao Maorisy ny teknisianina avy any Comores, Kenya, Madagasikara, Tanzania ary Seychelles mijery ny lesoka isaky ny firenena ka ahafahana manatsara ny drafitrasa enti-miady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Ny fandaharanasa SmartFish eo anivon’ny Vaomieran’ny oseana Indiana no mikarakara ny fihaonana. Marihina fa misy hatrany ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina iarahan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny Oseana Indiana izay nahavitana fanaraha-maso 38 isa tamina sambo 400 mahery. Ny Smartfish kosa ankoatra ny fanofanana ireo mpanaramaso ny jono avy aty amin’ny Oseana Indiana sy lac Victoria tao anatin’ny 2 taona dia nanolotra famatsiam-bola 1 tapitrisa euros hanohanana ny asa tanterahana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.