Namoy ny ainy teo amin’ny faha-69 taonany i Nono Barjean, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto, Nono Mahanoro.
Tratry ny famoizam-po, na nitelina fanafody marobe no voalaza fa nitarika ny fahafatesany, ny misandratr’andron’ny sabotsy 18 jona teo tany Mahanoro. Niandrasana tao amin’ny Tranompokonolon’i Mahanoro ny razana ny alahady hariva. Ny talata no natao veloma farany tao amin’ny Fiangonana Anglikanina, avy eo nentina tao amin’ny fokontany Antsangambato misy ny tranon-drazany sy nanaovana fiaretan-tory farany, nialoha ny nandevenana azy omaly alarobia ao amin’ny fasan-drazany ao Antsangambato, Kaominina Betsizaraina, Distrikan’i Mahanoro.
Efa solombavambahoakan’i Mahanoro i Nono Barjean fahavelony, ary mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ihany koa. Ny gadona basesa no nanavanana azy teo amin’ny tontolon’ny kanto. Hira anisan’ny nahafantarana azy ny “Somondrara Anatin' Akanjo”, “Bernadety”... Namela kamboty valo mianadahy, efa-dahy sy efa-bavy izy izao nodimandry izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.