Ninie Donia

> Voakasi-tanana tao amin’ny ambasady frantsay


  • Alarobia 08 Janoary 2014

Sady tsy nomena “visa” no voakasi-tanana tao amin’ny ambasady frantsay etsy Ambatomena i Ninie Donia.

Hamonjy ny zanany marary any Frantsa no nangatahany fanomezan-dalana na “visa” saingy dia fandavana no setriny, ary mbola narahina tositosika sy fandroahana nataon’ireo zandary frantsay miasa ao amin’ity masoivoho ity araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Nampisendaotra ity mpanakanto vavy avy any Nosy-Be ity izany fihetsika feno fanimbazimbana nataon’ireo zandary frantsay ireo. Nampiaka-peo i Ninie Donia, ary nitangorona ny olona sady gaga no nanome tsiny an’ireo vazaha avokoa ary tezitra. Velom-panontaniana ny maro manoloana ity tranga ity. Misy ifandraisany amin’ny maha zanak’i Nosy-Be ve ity fandavana ny fangatahan’i Ninie Donia “visa” ity toy ny nanjo an’i Wawa, Nosy-Be izay nisiana fandorana velona vazaha roalahy, ka teratany frantsay ny iray, sa noho izy nandray anjara fanentanana tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandida filoham-pirenena Dr Robinson Jean Louis, izay tohanan’ny filoha Atoa Marc Ravalomanana ? Ny Emmo-Reg no naka an’i Ninie Donia teny an-toerana.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT