Hatramin’ny omaly dia mbola notazonina tao amin’ny «violon» an’ny Commissariat Central Tsaralalana ilay «brigadier de police» izay voalaza fa nitazona ny vozon’akanjon’ny zanaky ny praiminisitra Camille Vital teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato.
Tsy mbola nanomboka kosa anefa ny fanadihadiana azy raha araka ny vaovao akaiky ny polisy. Etsy andanin’izany koa dia fantatra fa tsy faly ny polisy manoloana an’ity zava-nitranga ity satria amin’izy ireo dia midika ho fanaparam-pahefana ny zava-misy. Hatreto mantsy dia polisy nanao ny asany ara-dalàna io notazonina io. Ilay zanaky ny PM no nihoatra ny toerana tsy azo naleha ka tsy maintsy naverina.
Dia nisy ny fifamaliana, hany ka
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.