Nihinana atsantsa nisy poizina

> Ravin-tsomangarano no nanavotra an-dRtoa Sola Rosette mianakavy


  • Sabotsy 23 Novambra 2013


“Anisan’ny nihinana ilay atsantsa namidy sy nozaraina eran’ny tanàna izahay mianakavy. Vao reko anefa fa betsaka ny narary vokatry ny fihinanana azy, dia naka ravin-tsomangarano izay fanafody natoron’olona aho, ka io no notanehiko nataonay mianakavy rano fisotro ary izay no tsy namparary anay mianakavy na efa somary nalemilemy ihany aza”. Izay no fijoroana vavolombelona nataon-dRtoa Sola Rosette filoham-pokontany ao Mahasoa nahavotra azy mianakavy. Araka ny filazany dia nanoro io “fanafody” io tamin’ireo mpiara-monina aminy izy, ka izay no tsy namparary izay nihinana ara- potoana. Hatramin’izao, dia mbola io ravin-tsomangarano io no rano fisotron’ireo mponina ao Mahasoa na ireo tsy mbola narary na ireo avy narary hisorohana ny fiverenan’ny aretina. 11 an-trano Rtoa Sola Rosette, nefa 4 sisa no velona vokatr’ity loza ity. Tanàna tia alika koa i Mahasoa nefa ankehitriny tsy ahitana izany intsony ao an-toerana fa matin’ilay poizin’ny atsantsa avokoa izany.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT