Actualités

Niharam-boina tamin’ny Tolona 2009 Mitaky ny vola fanampiana fito volana ny ao Ambositra


  • Zoma 03 Febroary 2012

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ireo “Victimes-2009” na ireo olona niharam-boina tamin’ny zava-niseho tao Antamponivinany ny 04 sy 06 martsa 2009 nandritra ny tolona natao tao Ambositra.

 Tsy hita ny vola fanampiana isam-bolana raisin’izy 12 mianadahy mianaka niharam-boina tao Ambositra ireo nanomboka ny volana jolay 2011 no ho mankaty. Ao amin’ny tomponandraikitry ny fitantanam-bolan’ny Faritra Amoron’i Mania no andraisan’izy ireo ilay vola iray hetsy Ariary isam-bolana io hatramin’ny taona 2010. Fantatra ireo nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra omaly. Ny mahagaga ireto “Victimes-2009” ao Ambositra ireto dia mandray tsy tapaka io vola fanampiana io ireo naman’izy ireo ao Antananarivo nefa voalazan’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania fa tsy tonga tany Ambositra intsony izany vola izany nanomboka tamin’io volana jolay 2011 io.

Manao antso avo amin’ny fanjakana, araka izany, ireto niharam-boina ireto mba hijery akaiky izao olana sedrain’izy ireo izao satria misy amin’izy ireo no mbola manohy fitsaboana ankehitriny nefa manambady aman-janaka. Tsiahivina fa nahafaty olona telo sy nandratra olona sivy ny tolona tao Antamponivinany tamin’io 2009 io. Efa mahafantatra izao olana sedrain’ireto “Victimes-2009” ao Ambositra ireto ny Fikambanana AV7 eto Antananarivo nefa tsy nahitam-bahaolana hatramin’izay. Araka ny fantatra dia miomana hanamarika ny tsingerintaona fahatelo nisian’iny ra nandriaka iny ny ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania amin’ny talata 07 Febroary ho avy izao.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT