Nifarana ny tetezamita

> Nirodorodo nanatitra fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco ny Zandarimariam-pirenena


  • Zoma 31 Janoary 2014

Fifanandrifian-javatra sa inona fa dia amin’ny fotoana ifaranan’ny tetezamita no mirodorodo manao fanambaram-pananana ny fianakaviam-ben’ny Zandary. Omaly dia fanambaram-pananana miisa 604 no naterina teny amin’ny foiben’ny Bianco Ambohibao.

Nitarika izany ny lehiben’ny fibaikoana, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Araka ny fampitam-baovaon’ny Bianco dia ny zandarimariam-pirenena no sehatr’asam-panjakana voalohany nanao izany fanambaram-pananana izany tamin’ity taona 2014 ity, toy ny tamin’ny taona lasa. Inoana fa hanatanteraka ny azy ihany koa ireo sehatr’asampanjakana hafa.

 

Tsy voalohany izao fihetsiky ny zandarimariam-pirenena izao fa efa nanao izao izy ireo tamin’ny taon-dasa. Ary hotohizana hatrany izany, hoy ny Jeneraly Ravalomanana satria“mariky ny fahavononan’ny zandarimaria hiady amin’ny kolikoly izao fihetsika izao, ary efa ao anatin’ny sori-dalana dimy irosoana izany hatramin’ny nandraisana ny fibaikoana ka tsy maintsy hatao. Mahamenatra ihany mantsy raha tondroin’ny olona ho mpanao kolikoly lava izao”, hoy indrindra ny komandin’ny zandarimariam-pirenena. Mahatsapa ity lehiben’ny komandy ity fa loza ho an’ny firenena ny fisian’ny kolikoly koa izany indrindra ihany koa no nanehoan’ny fianakaviam-ben’ny zandary fifanomezan-tànana hiady amin’ny kolikoly. Marihina fa hanatanteraka ny  fanambaram-panànana eny amin’ny Bianco avokoa ireo fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy ka 15 febroary 2014 no fetra farany hanaovan’izy ireo izany araka ny baiko nomen’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena.

 

Nankasitraka izao fihetsika izao ny teo anivon’ny Birao Mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly ary nanamarika ny Tale Jeneraly, ny Jeneraly Rabetrano Faly, teo am-pandraisana ireo fanambaram-pananana ireo fa “manome ohatra ny zandarimaria ka tokony halaina tahaka. Tsapa ny fiovana teo anivon’ny zandary ary tsapa ihany koa ny fahavononana. Iriana mba ho zandary mendrika sy atokisan’ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena”.

 

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT