Nanisana Analamahitsy

> Kila forehitra ilay fiara kely


  • Sabotsy 14 Desambra 2013


Fiara “Peugeot 205” nentina vehivavy iray no nirehitra omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany teny Nanisana. Tsy nahalala ny firehetan’ny fiara nentiny akory ilay ramatoa nitondra ny fiara fa ireo olona avy ety ivelany no nahatsikaritra afo tao ambanin’ny fiara izay nentiny, ka nihorakoraka niantsoantso hoe mirehitra ny ao ambany fiaranao. Rehefa nijanona naka sisiny anefa izy dia toa vao mainka nirehitra ilay fiara satria efa nahazo ny fantsona mitondra ny solika ny afo avy ao ambany. Rehefa nezahina nosokafana anefa ny “capot”-n’ilay fiara dia tsy nety nivoha izany ka tsy hita izay namonoana ny afo, na dia niezaka ihany aza ireo mpandalo sy ireo teo amin’ny manodidina teo. May tanteraka tsy nisy noraisina ity fiara kely ity satria na ny afo aza dia tafakatra hatrany amin’ny efatra metatra ny haavony ka tsy nisy azo natao intsony.

 

NofyR.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT