Mety ho lasa lavitra ny raharaha mikasika ny fanakanan’ny fitondrana tetezamita ny fiaramanidin’ny Airlink tsy hipetraka teo Ivato ny sabotsy 21 janoary lasa teo.
Nomena toromarika hipetraka ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Morondava mantsy ilay fiaramanidina satria nieritreritra ny hisambotra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any an-toerana ny tariky ny jeneraly Richard Ravalomanana. Dimy andro aty aoriana, dia nilaza ny heviny ny Atoa Rodger Foster, filoha tale jeneralin’ny kaompania Airlink. Araka ny fanazavany dia tsy mahafeno ny fepetra rehetra mba handray sidina iraisam-pirenena ny seranam-piaramanidina ao Morondava, satria na ny fotodrafitrasa na ny fiahiana ny lafiny filaminana dia tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Araka ny fanazavan’ny PDG-n’ny Airlink ihany, raha toa ka mikatona ny seranam-piaramanidina ao Ivato dia safidy roa no misy na mamonjy an’i Toamasina na mankany Mahajanga ilay fiaramanidina. Samy nakaton’ny fitondrana tetezamita koa anefa tamin’io sabotsy io, ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo. Izay indrindra no nahatonga ny mpanamory tsy maintsy nandray fepetra ka niverina tany Johannesburg, hoy ihany ny fanazavany.
Ho an’ny kaompania Airlink dia tokony hialoha ny fiaingan’ny fiaramanidina tao Johannesburg, tamin’io sabotsy maraina io, no namoaka ilay NOTAM ny fitondrana tetezamita, mba nahafahana nanapa-kevitra am-pilaminana fa tsy efa tafiditra anaty habakabak’i Madagasikara ny fiaramanidina vao nampahafantarina izany. Araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneraliny hatrany dia efa nampahalala tsara ny zava-misy sy nitranga any amin’ny rafitra mifehy ny fifamoivoizana ana habakabaka any Afrika Atsimo ry zareo. Araka ny fanazavan’Atoa Rodger Foster ihany dia nahafantatra tsara ny Airlink fa misy amin’ireo mpandeha no tsy tian’ny fanjakana malagasy ny hahatongavany eto Madagasikara, saingy ara-teknika, hoy ihany izy dia efa foana ilay NOTAM A1204/11 araka ny fanapahan-kevitra navoaka tamin’ny 19 desambra 2011.
Ankoatra izay dia efa nampahafantarina mialoha ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) ny lisitry ny mpandeha, ary nahazo «autorisation de vol» na fahazoan-dalana hisidina ara-dalàna avy amin’ny ACM ihany, taorian’izay ilay fiaramanidin’ny Airlink. Misy ny antsoina hoe : “NOTAM de dernière heure” sy “NOTAM de dernière minute”, izany hoe NOTAM mivoaka amin’ny ora na minitra farany, saingy tamin’ny 11 ora antoandro, ora eto Madagasikara, niaingan’ny firamanidina tao Johannesburg dia tsy nisy mihitsy ny fampilazana avy aty Madagasikara fa misy NOTAM vaovao nivoaka, koa dia niroso ny dia, hoy ihany Atoa Rodger Foster, PDG-n’ny Airlink. Raha ny filazan’ireo manampahaizana manokana momba ny fifamoivoizana ana habakabaka dia nanimbazimba tsotra izao ny lalàna iraisam-pirenena eo anivon’ny OACI (Organisation de l'Aviation Civile Internationale) sy ny AITA (Association Internationale du Transport Aérien) ny ACM ka noho izany dia manana zo hitory azy sy ny fanjakana Malagasy ny kaompania . Raha ny tsiliantsofina re avy any Afrika Atsimo dia efa mivonona amin’izany mihitsy ity kaompania ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.