Ny taona 1993 no nanomboka nahazo vahana teto Madagasikara ny tsy fahazotoan’ny olom-pirenena maneho ny adidy masina mandrotsa-bato amin’ny androm-pifidianana.
Nahatratra 25,57% mantsy ny salanisan’ireo Malagasy feno taona tsy tonga nifidy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nitombo hatrany amin’ny 41,59% ny taha tsy fandraisan’anjaran’ny mpifidy Malagasy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 1996. Nidina kely teo amin’ny 32,14% io tarehimarika tsy fandehanan’ny olom-pirenena manefa adidy fanehoan-kevitra io ny taona 2001. Niakatra ho 38,07% indray ity salanisa tsy fandraisana anjaran’ny mpifidy Malagasy ity ny taona 2006. Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany tamin’ny 25 oktobra 2013 lasa teo dia 38,14% indray no isan’ireo olom-pirenena tsy tonga nandrotsa-bato nisafidy izay olona tiany hitondra ny firenena malagasy. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahana ny zoma 20 desambra 2013 farany teo dia tena efa manakaiky ny antsasa-manilan’ny mpifidy voasoratra anarana tao amin’ny lisi-pifidianana no tsy tonga nifidy satria hatramin’izao dia vinavinaina ho 49% mahery ny taha tsy fandraisana anjaran’izy ireo. Dia tena leo ny mifidy tokoa ve ny olom-pirenena Malagasy sa misy antony hafa tsy maharesy lahatra azy haneho ny safidiny ?
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.