Poa toa izay dia efa hipoka miaramila teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato omaly.
Nahetsika avokoa ny GSIS, ny BATAK, ny RFI, ny PAF ny zandary isan-karazany. Ny anton’izany dia noho ny fisian’ny fiaramanidina kely iray izay nitondra olona 11 tao anatiny. Nisy tsy fifankahazoana teny amin’ny mpanamory io fiaramanidina io sy ny «tour de contrôle» tetsy Ivato. Ny marimarina kokoa dia tsy tafita tsara tao amin’ny tompon’andraikitry ny seranana Ivato ny lisitr’ireo olona tanatin’io fiaramanidina kely Falcon io. Rehefa izany dia nampandre ny mpitandro ny filaminana ny tompon’andraikitra. Iretsy voalohany koa raha vao naheno hoe avy any Afrika Atsimo ilay fiaramanidina dia avy hatrany dia nikoropaka satria nieritreritra fa sao i Marc Ravalomanana no ao anatiny. Poa toa izay dia efa nigadona teny an-toerana ny tompon’andraikitra miaramila toa an’ny Cemgam, ny lehiben’ny polisy izay nosoloin’ny tale jeneraliny tena ary ny komandin’ny zandarimaria. Tsy nety nivoaka tao anaty fiaramanidina aloha ireo olona tao anatiny, asa na noho ny tahotra raha nahita ireto miaramila mirongo fiadiana marobe nanatona.
Rehefa elaela teo dia nivoaka ihany ny mpanamory ilay fiaramanidina. Nanazava io fa nanaraka ny fepetra rehetra izay mifanandrify amin’ny fivezivezen’ny fiaramanidina. Na izany aza dia natao ihany ny fisavana sy ny fanamarinana. Nandeha araka ny tokony ho izy avokoa ny rehetra. Tsy nisy nahiahiana ary dia nomena alalana hihazo an’i Toamasina ilay fiaramanidina nony avy eo. Fianakaviana kely iray izay misy olona sivy ka zaza ny dimy amin’ireo no tao anatiny. Handeha hamonjy fialantsasatra any Toamasina no dian’izy ireo. Vao nigadona teto Madagasikara anefa dia efa basy no niambina ireto olona ireo. Fantatra koa fa ny filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma no tompon’ilay fiaramanidina. Nahetsika ny miaramila marobe. Mazava ho azy ny sary fa tena atahoran’ny FAT mafy ny fidiran’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.