Mponin’i Toamasina I

> Fety tao anaty delestazy, fako ary asan-jiolahy


  • Alakamisy 02 Janoary 2014

Hafa noho ny hafa ny fitsenana ny taona vaovao sy ny fandaozana ny taona 2013 ho an’i Toamasina renivohitra, satria delestazy, fako sy loto manerana ny tanŕna ary ny tsy filaminana no iainan’ny mponina any an-toerana.

Raha ny momba ny delestazy dia miha maharitra izany isam-pokontany taorian’ny fetin’ny krismasy, satria raha adiny iray hatramin’ny adiny ora no faharetany teo aloha, ankehitriny dia tapakandro maninjitra no miharitra tsy fisian’ny herinaratra ny ankamaroan’ny Fokontany, misy aza dia ora telo ihany no mba mahazo herinaratra ireo Fokontany manodidina ny tampon-tanàna. Sahirana ireo manao asa tena mampiasa herinaratra, tahaka ireo mpanao volo sy fikojana tarehy, ireo mpanjaitra izay ny andro fety tahaka izao no mba hany tsenany. Eo koa ireo mpitantana “Cyber-café” izay mazàna mikatona ny androatokony. Raha ny fako indray dia tena mahamenatra ny zava-misy satria renivohitra ara-toekarena sy vavahady fidiran’ny entana noho ny seranantsambo goavana i Toamasina nefa dia loto sy fako no iainan’ny mponina isan’andro izay tsy mifidy toerana intsony, fa misy na eny amoron-dranomasina na eny an-dalambe, indrindra moa ireo tsena goavana. Nandritra ny fampielezan-kevitra sy nialoha ny fifidianana teo dia natao fitaovana politika ny fanadiovana, ankehitriny tapitra izany dia mihanaka ny loto. Ny eo amin’ny tsy filaminana kosa dia efa mampiteny ny moana satria na ny jeneraly talen’ny filaminam-bahoaka ao Toamasina aza noravan’ny jiolahy ary lasa hatramin’ny basy PA teny aminy, manginy fotsiny ny fahavakisan’ny tranon’ny lehiben’ny faritra teo aloha. Soa fa misy ny “opération” goavana nanomboka ny faran’ny herinandro teo, izay nampiana mpitandro ny filaminana avy eto Antananarivo, koa miandry vokatra azo tsapain-tanana ny vahoaka.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT