Mahavelombolo ihany aloha hatreto ny fihaonana teo amin'ny mpitsara sy ny polisy teny amin'ny CCI Ivato omaly, izay natrehan'ny minisitr'izy ireo tsirairay avy, ary teo ambany fiahian'ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra.
Niaiky ny polisy fa nisy fandikan-dalàna ny zava-nitranga tany Toliara tamin'ny 9 desambra 2011 ka nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel. Niaiky koa ny mpitsara fa misy ny zavatra tsy mety amin'ny fomba fiasan'izy ireo hatramin'izay. Hohafainganina ny fisamborana ireo rehetra voarohirohy tamin'ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara. Nanome toky ihany koa ny fanjakana fa hanaiky ny didim-pitsarana momba ny raharaha Toliara, ary dia hohamafisina ihany koa ny fiambenana ny lapan'ny fitsarana sy ny fiarovana ny ain'ireo mpitsara manerana ny Nosy. Izay ny fifanekena sy ny fanambarana, fa hanao ahoana amin'izay ary ny ho tohiny ? Tena tamin'ny fo madio marina ve no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, ary tsy misy intsony ve ny manao an-dolom-po sy kobay an-kelika ?
Azo ambara hoe, dingana iray lehibe ny vita omaly teo amin'ny famahana ny olan'ny polisy sy ny mpitsara, ary dia miandry ny tena fampiharana ny nifanekena ny rehetra ? Nanamafy moa i Andry Rajoelina fa mila mahaleotena ny fitsarana ary tokony hanao ny asany an-kalalahana, tsy misy teritery. Lasa avy hatrany ny eritreritra eto hoe : mba hodinihana amin'izay ve izany ireo dosie mafampana nandritra ny fitondran'ny FAT, tahaka ny raharaha boaderozy, ampamoaka nataon'ny profesora Zafy Albert sy ireny fitoriana ny FIS nataon'ireo olona nahatsiaro fa niharan'ny tsy rariny. Haverina hotsaraina koa ve izany ny raharaha 7 febroary 2009, sy ny fanotofana tany teny Andohatapenaka izay namoahana didim-pitsarana kimaimaika nefa mbola mitady porofo ? Hotsaraina amin’izay koa ve izany ny raharaha 26 janoary 2009 ? Tsy ny fanoloana na fanesorana olona no zava-dehibe fa ny fanatsarana ny fomba fiasa, koa dia ho hita eo ny fomba famindra vaovao eo amin'ity resaka fitsarana ity sy ny ho vokatry fandravonana ny olana teo amin'ny mpitsara sy ny polisy. Na izany aza dia hanokatra adihevitra amin’ny fandinihana ny lalàna mikasika ny famotsoran-keloka na ny amnistia iny fandravonana ny raharahan’ny polisy sy ny mpitsara omaly iny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.