Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitsara iray dia hentitra amin'ny fanapahan-keviny ny fianakaviamben'ny mpitsara mivondrona ao amin'ny SMM, ary tsy hilefitra mihitsy manoloana ny famonoana ny naman'izy ireo tany Toliara ny 9 desambra 2011.
Takian'izy ireo ny fanesorana ny minisitry ny polisy sy ny fitsarana ary fanagadrana ireo rehetra voarohirohy mivantana na ankolaka tamin'iny raharaha iny. Tsy tokony hisy adihevitra intsony amin'ity raharaha ity, hoy ity mpitsara ity, satria tena hita mibaribary ny fandikan-dalàna sy fikasihan-tanana ary ny famonoana olona. Ny tena loza, raha araka ny fanazavany ihany, dia ahiana hitatra na hiverimberina ny tranga tahaka izao any amin'ny faritra hafa, raha toa ka tsy misy ny fanapahan-kevitra hentitra raisin'ny manampahefana, ho fanasaziana ireo nahavanon-doza sy ho fandaminana ny zava-drehetra tsy metimety any ambadika any. Notsorin'ity mpitsara ity kosa anefa fa efa nisy hatry ny ela ny karazana tsy fifankahazoan-kevitra teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara, ka mety izay no nitarika iny tranga tany Toliara iny. Any amin'ny faritra sasany tokoa mantsy, araka ny nambarany dia misy ny fotoana mampifamaly ny mpitsara sy ny polisy, ary misy ireo polisy milaza fa tsy afaka mibaiko na maniraka azy ireo izany ny mpitsara.
Tsy baiko anefa no ataonay fa fangatahana fiaraha-miasa, hoy ity mpitsara ity, saingy samy manana ny fomba fijeriny moa ny tsirairay avy. Fa na ahoana na ahoana kosa anefa dia manamafy ny fianakaviamben'ny mpitsara manerana an'i Madagasikara fa tsy misy azo hanamarinana ny fidirana an-keriny ao amin'ny lapan'ny fitsarana sy famonoana mpitsara am-perinasa izany. Tena manahirana ity raharaha iray ity satria ny polisy koa dia milaza ny tsy hanaiky lembenana ary hiaro ny mpiara-miasa amin'izy ireo, raha toa ka misy ny tsy rariny na fanaparam-pahefana tadiavin'ny mpitsara atao.
Hita fa malemy ny fitondrana tetezamita manoloana izany rehetra izany ary tsy sahy manapa-kevitra hentitra fa misafosafo ny andaniny sy ny ankilany fotsiny, tena sarotra tokoa mantsy izany hoe hiady amin'ny mpitsara na ny polisy izany. Maro ny mahita fa efa fambara ratsy ho an'i Andry Rajoelina ity raharaha nitranga tany Toliara ity, izay raha ny fahenoana ny fanambaran'ny andaniny sy ny ankilany dia tsy hahitana marimaritra iraisana mihitsy. Raha hanapa-kevitra anefa ny filohan'ny tetezamita dia inona no hambarany ? Hanaiky an'izany ve ny roa tonta ? Fanapahan-kevitra ara-drariny tokoa ve izy io sa somary miandany kely ? Ny 15 janoary ho avy izao moa no hanomboka indray ny taom-pitsarana vaovao ka ho hita eo izay ho fihetsik'ireo mpitsara. Mialoha io dia hisy ny lanonana fifampiarahaban'ny andrim-panjakana eny Iavoloha. Miandry izay hambaran'ny filohan'ny tetezamita ny rehetra na hanome vahaolana mahomby izy na handrehitra ny afo indray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.