Betsaka ireo mpitondra marary etsy amin’ny hopitaly HJRA no velon-taraina noho ny afitsoky ny dokotera amin’izao.
Iray amin’ireny i Miora izay manana fianakaviana roa lasibatra tamin’ny zava-nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny harivan’ny 26 jona teo. Nambarany fa tena naratra mafy tokoa i Tahiana sy Rolland anadahiny tamin’io. Nosasan’ireo dokotera nandray azy roalahy tamin’ny betadine fotsiny anefa ireo ratra taminy dia nalefany nody izy ireo, hoy i Miora. Nolazain’izy ireo fa tsy antonona ny fandriana. Vao tonga tany an-trano anefa izy roalahy ireo dia fanina be indray, ka tsy maintsy naverina tany amin’ny hopitaly indray omaly. Voa teo amin’ny tongony sy teo amin’ny kibony mantsy izy roalahy. Ny tena loza dia mbola nanoratra fanafody vaovao indray ireo dokotera nandray azy roalahy sady lafobe avokoa raha efa nampanantenaina fa horaisina an-tanana maimaimpoana ny fitsaboana ireo maratra. Miantso ny minisitry ny fahasalamana ireo manana fianakaviana maratra mba hijery akaiky ireo mpitsabo ao amin’ity hopitaly ity. Ankoatra azy ireo moa dia mbola betsaka ireo marary lasibatra saingy tsy manan-kitarainana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.