Mpisoloky gaigilahy

> Votsotra hatrany fa tsara mpiaro


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014

Ny ratsy tsy mba kely lalana ! Ny mahazendana, na efa fantatra izao aza fa olon-dratsy dia misy mpiaro ary dia afaka madiodio eny. Tsy lavitr’izany ity tranga iray ity.

Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fisolokiana avo lenta no mirehareha fatratra fa tsara mpiaro, fa sady tanana an-kavanana mpitondra no manana mpitsara atokisana. Mpandraharaha maro no efa nataony nandraingiraingy ary ireo tranombarotra mpivarotra fitaovana sy kojakoja momba ny fanamboaran-trano sy mpivarotra kodiarana fiarakodia ireny no tena lasibatra. Eo am-piandohana dia maka entana toy ny mpanjifa rehetra izy, ary mandoa vola ara-dalàna. Rehefa zajatra azy ny mpivarotra dia ampitomboiny hatrany ny entana alainy ary rehefa tafakatra ambony ana miliara Ariary ny tentim-bidiny dia iny izy no manepoka tsy hita. Miavosa ny fitoriana fanenjehana azy ary nisy fotoana efa tratra ilay rangahy saingy mbola eo anivon’ny mpitandro ny filaminana atao fanadihadiana izy dia miala any ny tsindry bokotra ary manao ranolava ny “intervention” milaza ny avotsory ... Tanana efa zatra mitsotra anefa ny an’ilay ranamana ka dia mitohy hatrany ny asa ratsiny vao votsotra ary nisy hatrany ny tranombarotra voany ary nitory. Fanindroany izao io mpisoloky gaigilahy io no anaovana fanadihadiana dia efa miala any sahady indray koa ny “intervention”. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe tonga eny amin’ny fitsarana ve ity raharaha ity sa dia ho vitavita ho azy eny indray koa ?

Nangonin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • Clémence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT