Zary adinon’ny fitondram-panjakana tanteraka ny mpino Silamo rehefa misy ny fanovana governemanta, hoy i Papa Souley filohan’ny
fikambanan’ny zanak’Avaratra raha nanamarika ny famaranana ny iray volan’ny ramadany niaraka tamin’ireo mpikambana ao aminy izy omaly tetsy 67 ha. Nomarihiny manokana ihany koa fa fotoan-dehibe ho azy ireo ny fotoam-pamaranana ny Ramadany tahaka izao ka tokony hisy ny fihetsika hataon’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hijerena manokana ireo mpino Silamo. Anisan’ny nosinganiny manokana tamin’izany ny famelan-tsazy ho an’ireo voafonja izay tsy tokony hijanona ho isaky ny voalohan’ny taona ihany. Mikasika ny mety ho fisian’ireo Silamo mahery fihetsika eto amintsika moa ka mampatahotra ny rehetra dia nanambara i Papa Souley fa tsy mpampirohoroho ny mpino Silamo fa mpitondra filaminana sy fitoniana kosa. Vonona izahay ny hiara-kiasa amin’ny fitondram-panjakana raha toa ka misy ny olona fantatra fa manao hisorohana ny henjika sy ny fanosoram-potaka mety hahazo ireo mpino silamo. Olona an-jatony no nasainy omaly io nahitana ireo solontenam-panjakana maro samihafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.