Actualités

Mpilanja sorabaventy tetsy Ivato 2.500 Ar isan’olona ny karama, nisy tsy nahazo


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Raikitra ny fitadiavana vola madinika teny Ivato, omaly.

 Nazava teo na tsy nohadihadiana aza fa nokaramaina ireo olona nilanja sorabaventy toy ny hoe “Ravalomanana assassin”, “Ravalomanana out ! … Rehefa nandeha mantsy ny fotoana dia nifamahofaho be ihany ny kaonty teo amin’ireo olona. Nisy efa tokony handeha kanefa tsy nisy madinika. 5.000 ariary ny an’ny olona roa, ka rehefa handeha ny iray dia mila pasahina ho 2.500 ariary izany io vola io. Ny olana dia sahirana vao nahita madinika, hany ka nipoitra ho azy ny lainga. Nisy koa ny tezitra fa tsy nahazo anjara ka dia nandrovitra ny sorabaventy nasaina nolanjainy, tamin-katezerana. Dia mbola toe-tsaina toa izany no iainana eto amintsika hatramin’izao. Politika faran’izay ambany sy efa nialan’ny tany mandroso hatry ny ela, kanefa mbola miroborobo eto Madagasikara…

 

Samy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT