Actualités

Mpiasam-panjakana Mampanahy ny karama volana novambra


  • Zoma 23 Septambra 2011

Araka ny loharanom-baovao dia mandalo fotoan-tsarotra ny kitapombolam-panjakana. Misy mihitsy aza ireo izay miahiahy ny amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana volana novambra.

 Nisy ny fivorian’ireo mpitantam-bolam-panjakana rehetra eny anivon’ny ministera, andro vitsy lasa izay. Tamin’izany no nilazana fa mandalo fotoan-tsarotra ny kitapombolam-panjakana ka mila mihafy bebe kokoa. Misy anefa ireo ministera izay tsy manana na “ticket carburant” entina miasa aza. Ny eny anivon’ny Tafika ihany koa dia efa nahena be ny teti-bola saingy araka ny voalazan’ny avy amin’ny ministera hafa dia ny Tafika no mbola be vola ampaisaina indrindra amin’izao. Izany dia noho ny tahotry ny FAT ny miaramila sao tezitra ka mety hivadika aminy. Anisan’ny tena nampihena ny vola eo am-pelatanan’ny mpitondra amin’izao ny fanenana ny solika nafaran’ireo mpandraharaha amin’io sehatra io. Nahena be io fanafarana io noho ny antony avy amin’ny fanjakana ihany. Betsaka mantsy ireo toby fivarotana solika no nikatona noho ny tsy faneken’ny fanjakana hampiakarana ny vidin-tsolika nefa tsy mety manena ny hetra avy amin’ny solika ihany koa.

Tsy maintsy nahena araka izany ny kaomandy solika tany ivelany satria mihena ny isan’ireo mpaninjara. May volon-tratra noho izany ny FAT ka iny mody nilaza fa ahena 50 ariary isaky ny litatra ny hetra avy amin’ny solika. Ny tanjona anefa dia mba hiverenan’ireo mpaninjara hiasa ka hitombo indray ny hetra. Na izany aza, tsy mahaleo ny sarany ny vidiny satria 50 ariary isaky ny litatra no very tsy mora ny manarina izany. Azo heverina ho anisan’ireo antony nandehanan’ny filohan’ny FAT any ivelany io, mba hangatahana fanampiana amin’ireo filoham-pirenena na mpandraharaha frantsay sasany. Ny Karana eto an-toerana rahateo efa tsy mety manome firy intsony satria matahotra sao hitsimbadika ny tantara. Ireo anefa no mpanampy hatrizay.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT