Mpiasa nangala-bolan’ny mpampiasa azy

> Tra-tehaka teny am-pitsoahana hamonjy taksibrosy


  • Alatsinainy 13 Janoary 2014

Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra. Tovolahy mpiasa an-trano nangalatra vola roa alina sy iray hetsy Ariary an’ny mpampiasa azy no tra-tehaka teny ambony posy omaly nisandratr’andro niaraka tamin’ny vola nangalariny raha saika handray taksiborosy ho any Sakaraha tao Sanfily.

Raha variana nikarakara sakafo tao an-dakozia ramatoa tompon-trano fa ny vady aman-janany kosa lasa tany am-piangonana dia novakian’ity tovolahy mpiasa an-trano ny fitoeram-bola ary lasa nitsoaka izy avy eo. Niantso azy hampaniraka ilay ramatoa nefa tsy nisy namaly ny tao an-trano. Gaga ihany koa ny tompon-trano fa nisokatra ny varavarankely tao amin’ny efitra fatoriany izay tsy mbola nisokatra hatramin’ny naraina. Ny dian-tongotra teo amin’ilay varavarankely sy ny tamboho no nanaitra an’ilay ramatoa ka nahatonga azy nanontany ny manodidina sao mba nahita an-dRajean. Boaikely no nilaza fa nahita an’ity mpangalatra ity nandray posy sy nilaza ny lalana nalehany.

 

Natao ny fanarahan-dia ka tratra niaraka tamin’ny vola nangalariny ilay tovolahy. Niakatra afo sy nivazavaza azy ilay ramatoa, ka io no nanaitra ny olona ary nanomboka nitangorona. Nisy ny tezitra ka nandray vantan-kazo ary saika hikapoka sy hidaroka azy, satria mpamosavy malemy ka ny ao an-trano indray no hangalarina sy ritina. Marihina fa kamboty ity tovolahy tratra nangalatra sy namaky fitoeram-bola ity, ary ireto fianakaviana ireto no nitaiza azy hatry ny mbola kely, solon-dray aman-dreniny izay tsy nihevitra azy ho mpanampy fa toy ny zanaka, nefa dia nahavita toetra mamohehatra toy izao. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy, ka mila mailo ihany amin’izao.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT