Actualités

Mpianatry ny oniversite Manery ny hahitan’ny Ministera vahaolana


  • Talata 06 Martsa 2012

Nihazo ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony eny Fiadanana ny solontenan’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana eto an-drenivohitra omaly.

 Manery ireo tomponandraikitra avy amin’ny Ministeran’ny fitantanam-bola sy ny fampianarana ambony hitady vahaolana haingana hamerenana ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo izy ireo. Nanome fe-potoana 48ora izy ireo hahitana izay vahaolana matotra izay. Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ireo minisitra tompon’andraikitra ny fitakiana raha tsy hita izay vahaolana izay. Tetsy andaniny koa anefa ry zareo mpampianatra mpikaroka mivondrona ao amin’ny SECES dia manamafy ny fitakian’izy ireo amin’ny hampiharana ny voarakitr’ireo didim-panjakana telo navoakan’ny fanjakana tamin’ny oktobra 2009, mialoha ny hiverenan’izy ireo hampianatra.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT