Actualités

Mpianatra maty tao Barikadimy Tsy tafiditra teto an-drenivohitra ny razana


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Mitady hohararaotin’ny mpanao politika sasany handranitana adim-poko ny fahafatesan’i Frédéric Randrianirina Herilanto, ilay mpianatra maty tao Barikadimy nandritry ny sakoroka.

 Nisy mihitsy aza ny feo fa hoentina eny Ankatso sy eny amin’ny andrim-panjakana ny razana mba handrangitana ny mpiray fiaviana aminy. Nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ny polisy sy ny zandary mitambatra, nanoloana an’izany. Notsenaina tetsy Ambohimangakely ilay fiara nitondra azy ary nalefa nizotra tany amin’ny By-pass avy hatrany. Izany dia mba hialana amin’ny fanararaotana politika izay mananontanona sy ny korontana mety haterak’izany koa.

Efa nahitana mpanao politika rahateo teny Ambohimangakely nandritry ny fandalovan’ny razana, omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Nanome vola 1,6 tapitrisa ariary ny praiminisitra Camille Vital mba hanampiana ny solik’ilay fiara mitondra ny razana. Nanome baiko ihany koa io tompon’andraikitra io fa harahina hatrany Ihosy ny fiara sy ny kortezy manaraka azy, izany hoe arovan’ny mpitandro ny filaminana hatrany an-toerana handevenana azy ilay razana. Ankoatra izay, fantatra fa nihidy tanteraka ny oniversiten’i Barikadimy mandra-pilamin’ny raharaha. Mbola mitohy ny fitsoahan’ny mpianatra ao amin’io oniversite io. Mbola mitohy koa ny fihazana izay zanak’Avaratra ary toy izany koa izay zanak’Atsimo. Midika izany fa mafana ao Toamasina ary tsy mbola milamina ity raharaha sakoroka tao Barikadimy ity.

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT