Mpianatra malagasy any Rosia

> Misy mangalatra ny vola vatsim-pianarana


  • Alakamisy 02 Janoary 2014

Mitaraina ireo mpianatra malagasy mandranto fianarana any Rosia fa misy mandrimbina mba tsy hilazana fa misy mangalatra tsotra izao ny vatsim-pianarana kely raisin’izy ireo eo anivon’ny masoivoho Malagasy any an-toerana.

Raha ny antontan-taratasy milaza ny porofo eo am-pelatanan’ireo mpianatra nampitainy tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, nahitana ny sonian’ny sekretera manokana – ny mpitantam-bola – ary ny masoivoho Malagasy ao Rosia, dia amin’ny alalan’ny sandanin’ny vola dolara ifanakalozana izany no hisian’ny halatra. Raha ny antontan-taratasy ny taona 2012 milaza izany dia 1.493,18 Ar ny sandan’ny dolara iray raha ny taona 2013 kosa izay tokony efa ho 2.190,87 Ar izany dia mbola ny sanda 1.493,18 Ar ihany no nampiharina nefa tokony hifanaraka amin’ny sandam-bola vahiny miasa eto Madagasikara ny sandam-bola ampiasain’ny masoivoho any ivelany, ary taratasy navoakan’ny talen’ny fitantanam-bolan’ny masoivoho mihitsy no milaza ny sandam-bola tokony hampiasaina. Miisa 71 ireo mpianatra Malagasy mandray ity vatsim-pianarana mitentina 250 dolara mbola misy mandrimbina ity any Rosia. Tsy ny rehetra anefa no lasibatra amin’izany fa toa mpianatra nosivanina manokana, araka ny fahitan’ireo mpianatra azy, satria misy ireo mpianatra mahazo ny ara-dalàna ihany. Vokany, mitaky ny hanomezana ny volany tsy ampy ireto mpianatra mitaraina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT