Actualités

Mpandraharaha vahiny Tsy afa-po amin’ny fitsarana Malagasy


  • Talata 21 Jona 2016

Tsy mahatoky ireo fahefana misy eto Madagasikara ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka vahiny.

 

 Efa heno matetika amin’ny fanehoan-kevitra avy amin’ireo masoivohom-pirenena sy fikambanana iraisampirenena samihafa izany amin’ny fomba firesaka diplomatika, hoy ny mpahay lalàna Rakotoson Harotsilavo nandritra ilay famelabelarana narahina adihevitra nokarakarain’ny «Hautes Etudes Commerciales» avy any Paris ny herinandro lasa teo. Tsy mijanona eo anivon’ireo fahefana roa mpanatanteraka sy mpanao lalàna irery intsony moa ny fahakivian’ny fianakaviambe iraisampirenena momba ny fizotry ny raharaha eto amintsika amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ity manampahaizana momba ny lalàna Malagasy ity. Tsy afa-po amin’ny fahefana mpitsara Malagasy ihany koa mantsy ireo mpandraharaha mampiasa vola vahiny eto amin’ny firenentsika ankehitriny, raha ny fandehan’ny tafa sy dinika teny an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy takona afenina amin’ny fiasan’ny fitsarana misy eto Madagasikara intsony mantsy ny fanomezana vahana ny kolikoly miaraka amin’ireo fomba mamohehatra isan-karazany. Anisan’ny antony iray nisafidianan’ny programa «CESA Executive Education-HEC Paris» nampahatsiahy indray ilay lohahevitra momba ny fisian’ilay lalàna miaro ny fampiasam-bola vahiny ivelan’ny fitsarana mpampiantrano.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT